Accueil Poèmes Tia, manaja, mankamamy

PostHeaderIcon Poèmes

Misaotra anao zahay ry Ray, nomenao zao fotoana izao
Notoloranao Sabata, mba ho voninahitrao
Ahafahanay mandinika ny amin'ny fanambadiana
ary koa ny tokantrano, ho tokantranom-pifaliana.

Marobe reo mitaraina, tsy mahita fifaliana
ny tokantranony indrisy !! tondra... ny fijaliana
Ny tavanao 'lay Mpanazava, maloka sy toa tsy hita
Izay kasainy mba atao, ny ankamaroany dia tsy vita

Lay tokantrano 'zay naoriny, hitadiavam-pifaliana
Lavita Lay Ray Tsitoha, ka dia tonga fahoriana
Fijaliana no manjaka, hakiviana, fahantrana
Satria lay tavan'ny Mpamonjy, nangalarin'i Satana

Aoka tsy ho kivy isika, raha toa mahare izany
Natao hivady izay sahaza, hanorin-tokantrano mamy
Nefa aoka tsy ho adino, fa tsy ho vitantsika irery
Raha tsy ao lay Andriamanitra, mikarakara sy mijery
Ianao ravehivavy, ao an-tokantrano ao
Aoka ho olo-mahatoky, anatreham-badinao
Hampahery, hanafosafo, ho vady tia manolo-tsaina
ka hitondra fifaliana, ilay tokana lalaina

Ry vehivavy, reny hajaina; O! hajao ny vadinao
Na mpino izy na tsy mpino, izy no efa sitrakao
Efa izay izao hianareo, hiaraka mandrakizay
Ka aoka haka lalandava, ilay endriky ny Ray

Mino aho sy manantena, f'io vadinao tsy mpino io
Raha ny toetranao no tsara, dia izao no tadidio
Ho babonao tokoa ny fony, hiova koa ny faniriany
Hanara-dia ny Tomponao, hanara-dia anao izay tiany.

Inona ary hoy ianao, ny toetra tokony hananana
ao an-tokantrano ao, na mahantra ianao na manana ?
Aoka tsy ho jejojejo, fa ho maontina tokoa
Ka hiravaka fitiavana, ho firavaky ny fo.

Ary hianao ralehilahy, aoka ho vontom-pahendrena
Natao ho lohany ianao, nefa aoka hanetry tena
Hanohana ny vadinao, amin'ny fihetsika sy teny
Mila anao tanteraka izy, hitantana azy ombieny ombieny

Raha misy olana mitranga, aoka ianao hitraka hatrany
Antsoy lay Tompo be fitia, fa ho voavahanao izany
Ny fiainanao izay ho avy, ny tokantrano entinao
Raha miaraka amin-dRay, ho tokantrano vaovao

Isika kosa ry tanora, 'zay mbola eo am-pitadiavana
Aoka ho fidiana tsara, zay hotolorana fitiavana
Raha haka ihany anefa, ny ato anatiny jerena
Mbola maro ireo tanora, sahaza marina ny tena

Iray finoana ianareo, eny iray fanantenana
Afaka hiara-mizotra, hizotra mba ho ao kanana
Mitovy tompo hotompoina, mitovy tanjona hotratrarina
Ny tokantrano izay hiraisana, ho tokantrano tena marina

Mbola maro ny azo ambara, be ny azo tantaraina
Ny amin'ny fanambadiana, fa izao no ataovy an-tsaina
« Tia, manaja, mankamamy », ny vady sy ny zanakao
Raha tanterakao izany, hilamina ny fiainanao

Ny tokantrano avy amin-dRay, tokantranom-pifaliana
Ho lavitry ny ahiahy, ho lavitry ny fahoriana
Ny irariako mba ho antsika, ry mpiara-manantena
Ny tokantranontsika anie, ho tokantrano ho vonjena!

Amena!

Alain Rahaingoharison