Poèmes
Afoben'ny tany sa paradisan'ny lanitra ?
Mamiko sy maminao, izany fiainana mandalo,
Feno tsiky, fifaliana, hirahira, kalokalo,
Mieritreritra ianao, hoe tonga lafatra ny eto,
Tena paradisa an-tany, odian-tsy hita irony sento;
Nefa be ireo mijaly, mosarena, maty noana;
Mahatsapa fa ny tany, tsisy endrika sy foana,
Raha izany no miseho, inona no ataonao,
Ndeha hamono tena ve, mba handao izao tany izao?
Raha ho faty ihany anefa dia aiza no haleha,
Ho an’ny lanitra eny ambony, sa ho an’ny afobe?
Fa ny lanitra misokatra, ho an’ny zanaky ny ray,
Izay tsy lisitra amin’io, dia ho kila sy ho may,
Toa tsy tsapatsika anefa, f’ity no tanim-pahoriana,
Isan’andro misy foana, ireo sarak’olo-tiana,
Ny fitiavana eto an-tany, dia fitiavana poak’aty,
Fitia hita feno lainga, fitia te hamaly faty;
Eny izany rehetra izany, no miseho ety an-tany,
Ka na manana ianao na ory, dia samy hitomany,
Na ny ambony na ny ambany , toa mitovy avokoa,
Fa vovoka no hiafarana, eny vovoka tokoa,
Ianao io minia mikipy, tsy mijery izay miseho,
Tsy mahita ireo sakaiza, mitomany mitoreo,
Ianao mifaly fa nahazo, volabe mitafotafo,
Eny tsy tsaroana intsony, f’ilay ra vidiana lafo;
Ianao izay mbola mankafy, ny fiainana ety an-tany,
Mety hisy fisarahana, io ianao fa mitomany,
Ny ampitso indray anefa, ianao mahita olo-tiana,
Ny onja anefa tsy mitovy, tonga indray lay fahoriana?
Ianao zay mbola mihevitra, fa tsisy fiainana any an-koatra
F’efa ampy ny eto an-tany , paradisa tsara voatra;
Misy zay ilaina ny eto, avelao zay tsy hita any,
Hoy ianao velon-kira :” mbola mamy ny eto an-tany”
Mbola mamy ny eto an-tany, angamba tena mamy loatra,
Nefa mbola mamy lavitra, lay fiainana zay any an-koatra,
Eto ianao mbola mijaly, tondraky ny fahoriana ,
Any an-danitra any kosa, heniky ny fifaliana,
Ianao izay miandrandra, paradisa eto an-tany,
Mety ho foana ve ny sento, mety ho foana ny tomany,
Vao maika anefa mihamaro, ireo setroky ny ady,
Ary izany rehetra izany, hahakivy anao sahady;
Koa raha kivy ianao ndeha hoa aiza, moa misy antenaina?
Mety ho tsapanao hatreo, fa manahirana ny miaina,
Ny tantely ho an’ny hafa, dia tangena ho an’ny sasany,
Ny fahatesana no tonga, hamoha ny varavaram-pasany.
Isika rehetra mbola miaina, samy ho faty avokoa,
Kanefa raha ho faty ihany, aleo maty nanao soa,
Ny adidinao ho vita, mora koa ny manatena,
Fa ho azonao ny lanitra ny lanitra, ho azonao ny famonjena
Aiza moa no hahalalana, fa nanenina reo maty,
Fa tsy nahavita soa , nihevi-tena ho poak’aty,
Eny isika mbola miaina, no tokony hisaina lalina,
Ary hanao izay azo ataona @ andro na @alina.
Porofo ampy angamba izay, fa fandalovana eto an-tany,
Efa voahozona izy, mba higoka ny tomany,
Inona ary no azo atao, hahazoana fahasambarana,
Tsotra ihany “ AO JESOSY” Ilay vato ifaharana,
Na manana ianao na ory, tsisy hafa @ Ray,
Natao handova avoko, lay fiainana mandrakizay,
Ka inona no hahakivy, inona no hitomaniana?
Tsisy ho diso anjara isiky, samy handao ny fahoriana;
Ny Baiboly irery ihany, no misy ny tsiambaratelo,
Hanome ny torolalana, handosirana ny helo,
Koa raha mora toy izany, no hahazoana fandresena,
Iza no handĂ ny mora, mora nefa volamena,
Ny irariako dia izao, isika zanaky ny Ray,
Samy handova avoko, lay fiainana mandrakizay,
Ka tsy hisy hibolisatra, @ fiainana eto an-tany,
Fa Lay Ray zay ao ambony, no hitantana antsika hatrany.
RAHAINGOHARISON NIRINA ALAIN