Poèmes
Ambasadaoro tokoa ve isika ?
Teo amin’ny ranon’ny batisa, nanitrihana ahy sy anao;
Nisy teny izay nomena, nisy voady izay natao;
Ho tonga mpianatra malala, ka hijoro hatrany hatrany;
Ho ambasadaoron’i Jesosy, ho ambasadaoro eran-tany.
Ho ambasadaoron’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra;
Ho ambasadaoro tena izy, na mandeha na mitoetra.
Ambasadaoro amin’ny fihetsika,fiteny ny fitafy koa;
Ka tsy hanao afa-tsy izay nandidian’ilay Tsitoha;
Ho hita taratra eny hatrany, fa solontenany isika;
Ambasadaoro mpanazava,toa masoandro mibaliaka.
Ambasadaoro ve isika ao an-tokantrano ao,
Ka ny sitraky ny Tompo no ezahana atao?
Lay fitiavana voalohany, moa ve hita manjaka,
Lay fitiavana agape,no mitana izany laka?
Dia natao ho solontena, ho ambasadaoron’Ilay Ray;
Mba hitaiza ireo zanaka,izay natolotry ny Tompo;
Ka ho tonga ambasadaoro,tsy ho tompoina fa hanompo.
Isika zanaka etsy andaniny,aoka ho Hendry lalandava;
Ka no zanaka manoa,tsy ho mailaka amin’ny vava;
Ho tia reo ray sy renintsika,izay nampisy teto an-tany;
Dia ho lava andro isika, izay ny teny fikasany.
Raha mivoaka izany trano,eny an-dĂ lana ombana;
Aoka tsy ho adinontsika, fa mivoaka koa satana;
Any anaty bus any, ny metro ny hafa koa;
Miezaka izy ny handavo,ny ambasadaoron’ny Tsitoha.
Any am-piasana any, adino ny fisian’ny anjely;
Reo mpiara-miasa amin’ny tena,mba misotrosotro kely;
Dia io lay ambasadaoro, lavo rendrika sy toro;
Tsy mba afaka nitraka,tsy mba afaka nijoro.
Isika mambra rehetra, moa isika mba mijoro;
manoloana ireo zay liana;sa vao maika mampikoro?
Moa va isika izao, mpitari-bato vilam-bava;
Ny teny atao tena kanto, fa ny fihetsika mandrava
Rehefa misy fetifety, atao etsy sy eroa,
Dia io lay mambra fa lavo, mba misotrosotro koa;
Miteniteny ratsy kely,manadala vadin’olona
Resy lay ambasadaoro,tsy mba afaka nitolona.
Miloloha lanitra isika eny mety ho lena ihany;
Mandia tany ka solafaka,tsy azo lavina izany;
Nefa aoka tsy ho adino fa, ambasadaoro izao sy ianao;
Teo anatrehan’ny Mpamonjy,nisy voady izay natao;
Ny fanirian’ny Tompontsika, mba ho ahy sy ho anao;
Izaho sy ianao ho ambasadaoro,mendrika lay tany vao;
Mba hijoro ho mahatoky,amin’ny zavatra rehetra;
Ka reo asa misioneran-tsika,tsy handao fa tafatoetra.
Ho ambasadaoro voavonjy, ho ambasadaoro tafajoro;
Ho ambasadaoro vatolampy,tsy hatahorana hikoro;
Isika rehetra izao anie, ho ambasadaoro avokoa,
Ambasadaoro zay hadova, ilay paradisa tena soa.
Alain RAHAINGOHARISON
Â
