Poèmes
Ilay zanak'ondry voavono
Fony mbola tsisy ny ota, t@ andron’i Adama
No efa feno sotasota, tao am-pon’ilay satana
Miezaka izy ny handavo, ireo nakamban’ny Tsitoha
Amin’ny fomba izay mety, herisetra, lolompo
Tsy nahatohitra anefa, ireo razam-ben’ny olona
Fa dia tena lavo ihany, na dia sasatra nitolona
Teo no niditra ny ota, ka nanjaka teto an-tany
Lay hafaliana teo aloha, indrisy fa nivadika tomany
Tsy gaga t@ izany anefa, ‘lay Andriamanitra Mahery
F’efa vonona ao Jesosy, ho mpamonjy ny olom-bery
Plana efa vita izany, ka tsy maintsy ho vitainy
Kristy, ‘lay Zanak’ondry dia hanolotra ny ainy
Nampidinina Jesosy, hamonjy ny olom-pahotana
Efa toa mahery loatra ny habibian’ilay satana
‘lay satana mpiandry ratsy, be fialonana tokoa
Mitomany ho loha-laharana, mitomany ho filoha
Nohon’ny fahotana ihany no nahatongavany tety
Ka hamonjy ireo mpanota, olom-bery sy mpania
Nefa indrisy, o! indrisy f’ireo olon-kovonjena
No indro fa namadika Azy,t@ vola sy harena
Raha mba fantantsika mantsy, ny tomba-bidin’ilay rÃ
Tsy nanaiky angamba isika, nefa izy tsy nandÃ
Fa sekely 30 no namadihana ny Tompo
Nokilasiana ho andevo, nokilasiana ho mpanompo
Voaheloka ny Tompo, voaheloka ho faty
Indro faly ‘lay satana, tanteraka ny valifaty
Eny nohombohona Izy, nofantsihana ny tanany
Miboiboika teo lay rà , ho fanavotana ny zanany
Niady mafy teo Jesosy, efa toa mangidy loatra
‘lay kapoaka nosotroiny, tena feno tafahoatra
Izay no sitraky ny Ray, ka tsy maintsy ho setrainy
Hamonjena ahy sy ianao no nanaperany ny ainy
O! nilatsaka ‘lay rà , ho an’izao tontolo izao
Ilay rà tsy nanan-tsiny, mba hisolo ny helokao
Nisokatra eon y famonjena, maintso antsika ‘lay Mesia
Moa ve isika izao vonona hanara-dia?
Eny misy loharano, mpanadio sy mpanavao
Voasokatra ho ahy, voasokatra ho anao
Ilay rà tsy misy tsiny, ilay rà tsy misy ota
Natokany ho antsika izany, izay meloka mpanota
Maty izy mba ho an’iza, ary maty mba ho aiza
Moa tsy maty ho antsika, ho namana sy ho sakaiza?
Handà izany ve isika, handà ‘lay rà zay sarobidy
Mandiniha sy mihevera, ka mahaiza misafidy
Mitsangana anefa Izy ary niakatra any an-danitra
Ho eo akaikin’I Tsitoha, ‘lay Tompo Andriamanitra
Misolo vava antsika Izy, be fitia, mahari-po
Ary miandry lalandava, ireo mpanota hiova fo
Niakatra any an-danitra Izy, hamoron-dasy vaovao
Hikarakara paradisa mba ho ahy sy ho anao
Ny hany azon-tsika atao, manadio ny ao am-po
Ho afaka @ fahotana, miaraka @ Ilay Tsitoha
Rahatrizay, rahatrizay ho tonga ny andro
Ka ho maizina ny volana ary koa ny masoandro
Andrandrao ny masonao, ka banjino ‘zany lanitra
F’efa mby am-mbaravarana Ilay Tompo Andriamanitra
Amin’izay fotoana izay, hiovitrovitra ny tany
Samy hahita avokoa, na ny ambony na ny ambany
Ka na manana na ory, na mpanota na madio
Dia hitsena Ilay Mesia @ io fotoana io
O! misokatra ny lanitra, ka mivoha ‘lay varavarana
Fa ny tany kosa indrisy, ny tantarany hifarana
Indro tamy ny Mpampakatra, tamy mba ho antsika zanany
Raha misy ny tsy mino, jereo ny holatra @ tanany
Fa ireo namantsika Azy dia hanenina aok’izany
Ka hitady fierena, higogogogo hitomany
Nefa indrisy tara loatra, tsisy intsony indrafo
O! mifarana ny fetra, izay nomen’Ilay Tsitoha
Rahoviana ary hoy isika, sao kosa dia anio
Ilay Tsitoha no tapa-kevitra, hanapitra io fotoana io?
Moa vonona isika raha tonga Izy androany?
Sa hitady fierena, ka hisento sy hitomany?
Tsia, tsy mino izany aho, raha tapitra anio ny dia
Isika izao no lohalaharana izay hitsena Ilay Mesia
Hiaraka isika izao, hiaraka doria doria
Hiaraka mandrakizay, mahereza, matokia.
Alain Rahaingoharison
