Poèmes
Isaorana ny Tompo
Andriamanitra mahery,lay Andriamanitra Tompoiko
Lay nivavahako hatrizay,nanolorako ny foko,
Tena resy lahatra aho, tsy misalasala intsony,
Mahay ny zavatra rehetra,Lay Tompontsika ao ambony
Efa ela no naniry, zazakely mba ho taiza,
Zahay mivady manoloana, nanao zay nety hatraiza hatraiza,
Isan’andro vao mifoha, dia nivavaka mangina,
Nitalaho tamin-Dray, mba ho toha ny faniriana;
Tao an-tsainay lalandava, izay niseho tany aloha,
Abrahama sy Saraha, o! naniry mafy koa,
Mba hahazo zay ho dimby, mba hahazo zay ho fara,
Tanteraka ny faniriany, fantantsika ny tantara.
Ny fahafantarana izany, vao maika nampahery anay,
Mba hifikitra hatrany, eo an-tratran’Ilay Ray,
Nanao izany ho antom-bavaka, na mitoetra na mandeha,
Nino tamin’ny fo zahay, fa ny Tompo dia mandre.
Lasa ny andro sy ny volana, taona iray, taona roa,
Mbola tsy azo ilay niriana, izay angaha no mahasoa,
Tsy kivy anefa izahay, fa mbola nanantena hatrany,
Hoe hanoina ny antso, Ilay any an-danitra any.
Misy zava-mahagaga va, izay tsy hain’ny Tompo hatao,
Ka hanova ny tsy misy, mba ho misy ho anao,
Zahay aloha dia nino hatrany, fa mbola misy andro iray,
Izay natokan’Andriamanitra, hamaliana ny antsonay.
Fito taona no niandry, valim-bavaka izahay,
Ny Tompo moa no mahalala, zay mahasoa ny fiainanay
Ry rahalahy sy anabavy, mijoro eto izahay,
Hanambara fa ny Tompo, dia namely ny antsonay,
Nomeny zaza izahay, mba ho dimby sy ho fara
Mahay ny zavatra rehetra, Ilay Tompo tena tsara.
Tonga izao ny fotoana, izay ny Tompo no mifidy,
Nomeny anay lay sombinaina, Samuella Sarobidy,
Novaliany ny hatakay, ka tsy hay ny tsy hisaotra,
Ilay Tompo Andriamanitra, mpamorona sy mpanamboatra.
Ity zaza zay nomeny, mba ho taizanay mivady,
Indro atokanay ho Azy, eny, dieny izao sahady,
Ka ny fiainany rehetra, izay ho avy rahatrizay,
Atolotray mba hatantaniny, anio sy ho mandrakizay.
Misaotra anareo zahay, izay niara-nisalahy,
Tamim-bavaka mafana, nanafoana ny ahiahy,
Ny fivavaky ny maro, O! mahery be tokoa,
Ka aoka tsy ho kivy isika, fa fantany zay mahasoa.
,Ry zoky zandry ray sy reny , rahalahy sy anabavy,
Ankino amin’nyTompo hatrany, ny anio sy ny ho avy,
Be fitiavana tokoa , Lay Tompo tena tsara indrindra,
Ny tokantrano manana Azy, azo antoka hirindra.
Ny faniriako tena lalina, ho antsika vory eto izao,
Dia ny hitrotro amim-bavaka, ny fikasana izay atao,
Ary koa hanam-pinoana, fa mbola misy andro iray,
Hamalian’ny Tompo tia, reo tonom-bavaka hatrizay.
Mino aho sy manantena, fa raha ho avy Lay Tsitoha,
Ny tokantranotsika anie , ho vonjena avokoa.
Amena!
RAHAINGOHARISON Alain