Poèmes
Isika sy ny Tompontsika
Ray malala,Ray Mpamonjy o ! be fitia tokoa ianao,
Nanome anay izao, fotoana lehibe izao,
Ahazoanay misafidy, izany hoe tena fahendrena,
Sy fahamarinana arahina, mitondra ho @ fandresena.
Ry rahalahy sy anabavy, izay miandrandra famonjena
Aiza ny fahalalana, aiza ny tena fahendrena?
Moa ianao mitady izany, sa efa ampy ny eo an-tanana?
Ka mionona fotsiny ihany @ fitiava-namana?
Tsy ampy izany ry sakaiza, tsy ampy hitondrana tena
Mbola tsy izany, no tena atao hoe fahendrena
Vohay anio ny fonao ka omany mba handray
Ilay fahendrena tena marina, izay atolotry ny Ray
Fahatokiana an’I Jehovah, @ fo feno hafaliana
Mbola fahendrena koa izany hoe: manetry tena
Kintana mitari-dalana, mitondra ho @ famonjena
Aoka ho Jesosy ihany, no sakaiza tokinao
Lazao Azy manontolo ny olana eo @ fiainanao
Ambarao izay miseho, tantarao izay efa lasa
Ndeha banjino miaraka Aminy izay kinasa
Tandremo re ny tenanao, fa maro fitaka ny tany
Satana anie ka tsy mijanona mikendry anao hatrany hatrany
Kolokoloiny eo ianao, mba ho olom-piavonavona
Lay fahendrena nandrandraina, indrisy , takona sy nanjavona
Ny avonavona zareo, tsy mba fahendrena izany
Fa mpanimba ny tontolo, tontolo iananana eto an-tany
Tiava ireo namanao, tahaka izany tenanao
Izay no sitraky ny Ray, avy hatrany tanteraho
Noho izany ry sakaiza, aoka isika hifehy tena
Aoka isika hahalala onony @ vola sy ny harena
Sao isika dia variana mihary harena eto an-tany
Ka tsy manantena intsony izay any an-danitra any
MandinihĂ sy miheverĂ , jereo izao tontolo izao
Jereo ny voaary manontolo, indrindra fa ny tenanao
Moa va izy ireny tongatonga eto an-tany
Raha tsy nisy Ilay Mpamorona, nanao lalĂ na mifehy izany
Ho antsika zanak’olombelona, izaymiaina eto an-tany
Misy tanjona ho tratrarina,moa ianao mahalala izany?
O!ny Ray zay be fitia,dia mametraka lalana
Raha manaja izany isika,handositra ny adalana
Ry sakaizako rehatra,tadidio zao teny izao:
Ny safidy ataonao no iankinany’ny ho avinao
Izy vonona hatrany,hitantana sy hampahery
Hanohana raha sendra lavo,tsy amela anao irery
Mankalaza an’I Jehovah,@ fanananao
Safidy tena tsara izany,tokony ho vitanao
Aoka isika rehetra izao,hahay mitantana ny harena
Safidy tena tsara izany,endriky ny fahendrena
Aoka isika ho mahitsy,aoka isika ho modely
Aoka re ny fiainantsika,ho toy ny an’ny zazakely
Tsy mahalala fahotana,izay manjaka eto an-tany
Tsikitsiky lalandava,no anoloany ny tomany
O!tandremo ry sakaiza,fa ny lela dia mahery
Afaka ny hamonjy anao,nefa koa dia mahavery
Ka ny teny soa lazainy,mampiova izany fo
Fa raha ratsy kosa indrisy,handositra Ilay Tsitoa
Fa ny saina tena tsara,dia mamoaka teny soa
Hampahery ireo izay kivy,hahafaly ny Tsitoha
Tadidio ry sakaiza,f’izany teny soa izany
Teny soa mitondra aina,mampahery anao hatrany
Jereo ny fiainanao omaly,eny ny androany koa
Angamba feno fahoriana,angamba lavitry ny soa?
Raha toa ianao ka sendra izany,dia izao no tadidio
Fa ny sarobidy indrindra,ny aina izay nomeny anio
Koa mahaiza misafidy,izay teny rehetra atao
Mahaiza koa mba mankasitraka izay kely anananao
Alaviro ao an_tsaina,izay hoe paradisa an-tany
Fa ny tanjona ho antsika,dia ny any an-danitra any
Aoka re ny fo sy ny saina,mba ho falifaly
Dia fo vatana salama,no ho setrin’izany
Alamino ny sainao mba hiatrika ny fiainana
Raha sanatria ka sendra lavo,eo Jesosy itarainana
Jesosy ilay be fitia,azo antoka tokoa
Sakaiza tena tsy mandao,sakaiza be fahari-po
Tadidio ry mpiara-miasa,fa Jesosy rery ihany
No sakaiza mahavonjy,ny olombelona eto an-tany
Isika anefa aza adino, tsy nataony ho irery
Tokony hanana sakaiza, hanohana sy hampahery
N’inona n’inona miseho, hiaraka mandrakizay
Tsy tsara isika raha irery, izay no hafatry ny Ray
Koa ataovy tsara ny safidy, @ izay alaina vady
Aoka ho vady mahatoky, fa tsy vady tia ady
Fa ny tena tsara indrindra dia vady avy @n-dRay
Vady miara-manantena, ny fiainana mandrakizay
Be fitiavana ny Tompo, be fitiavana tokoa
Faniriany lalandava, izany hoe tokantrano soa
Mifanohana hatrany, na @ sarotra na mora
Mifampahery isan’andro, fa tsy faly manakora
Ary izao no tadidio, ny tokantrano avy amin-dRay
Dia votom-pifaliana, haharitra mandrakizay
Ndeha hiara-hiasa isika, ka hiara manantena
Fa ny tokantranon-tsika, tokantrano ho vonjena
Koa mahereza aza kivy @ fiainana eto an-tany
Mitrakà , mijeré, fa Jehovah ao hatrany
Eny raiso ny fitiavany, aza misalasala intsony
Atolory ny fonao, f’efa miandry koa ny fony
Amen.
RAHAINGOHARISON Alain
