Accueil Poèmes Joba

PostHeaderIcon Poèmes

Raha i Joba sy ny fiainany, izao no azoko ambara,
Olona nahomby izy, ary olo-nohajaina;
Nefa niharitra ny mafy, fijaliana , fanaintainana;
Hatramin’ny fahafatesana aza, nananontanona ny fiainany.

Tsy kivy anefa ilay sakaiza, ilay olon’ny Tsitoha;
F’ireo fahoriana ireo , no vao maika nampifoha,
Nampifoha izany sainy, ho afaka manaka-davitra,
Fa ny zavatra miseho, dia avy @ Andriamanitra;

Ka ny ratsy izay mianjady, dia avy @ satan;
Herisetra, lolom-po, avonavona, hadalana;
Ireny rehetra ireny anefa, dia voafehy avokoa;
Voafehin’Andriamanitra, Lay Andriamanitra Tsitoha.

Diso hevitra isika, diso hevitra tokoa;
Raha toa ka mihevitra, fa miangatra Lay Ray Tsitoha,
Ka hoe toa ny ratsy hatrany, no mahita fifaliana;
Fa ‘reo miezaka ho marina, toa vesaram-pahoriana.

Andriamanitra tsy adala, tsy kentrina Izy sanatria;
Ka hanary ny ankohonany, na dia sasatra nania;
Izy no namorona ahy, Izy no nanao anao;
Ny tanjony ho antsika zanany, ho tonga olom-baovao.

Raha mino Azy isika, tahaka an’i Joba koa;
Hivadika ho fifaliana, lay fahoriana izay manjo;
Aza adino koa anefa, f’ilay satana ao hatrany;
Miezaka ny handavo anao, aoka hoa fantatrao izany.

Vahaolana mahomby, no atolotry Jehovah;
Ilay Tompom-pamonjena, Ilay Tompo tsy miova;
Manolotra ny tanany Izy, hitantana ny fiainanao;
Handresy an’ilay satana, biby fahavalonao.

Ry sakaizako rehetra, joreo reo biby sy ny vorona;
Moa va mamboly ireny, sa mba afaka mamorona?
Ny Tompo no mamelona azy, miahy sy mikarakara ;
Ny zava-boaariny rehetra, tsy misy izay ho diso anjara.

Koa avelao Ilay Jehovah, no hiditra ao am-ponao;
Fa Izy no afaka hihevitra, zay mahasoa ny fiainanao;
Raha Izy no manjaka, dia tsy hisy ahiana intsony,
Ny famonjena anao tsarovy, f’efa masaka ao am-pony.

Aoka hiaiky ary isika, fa Andriamanitra mahery;
No afaka hanara-maso, hikarakara sy hijery;
Aoka isika ho resy lahatra, tahaka an’I Joba koa;
Fa Andriamanitra Fitiavana, Lay Andriamanitra Tsitoha.

Miandry antsika Lay Mpamonjy , miandry antsika hanolotena;
Ka moa va isika indray, no handositra ny famonjena?
Anio ary ry sakaiza, aoka tsy hisalasala intsony;
Atolory ny fonao, f’efa miandry koa ny fony.

Amena!


RAHAINGOHARISON Alain