Poèmes
Fahoriana sy fanafahana
Miantso Anao ‘zahay ry Ray, miangavy, mitalaho.
Mamindrà fo aminay, hatreo zao fotoana izao
Ray malala ô! Tahio ny sabatanao androany
Ho sabata fanafahana, hamafana ny tomany
Ny fiainanay aty, fiainana tsy lavorary
Mifanjevo avokoa, ny haintany sy mosary
Ray Malala o! ampio; Ray Malala o arovy
Mangataka Aminao zahay, zany lalà nay tsinjovy
Eny Ianao ry Ray Malala! Ianao irery ihany
No afaka hamonjy anay; tsy ho lavon’ity tany
Miangavy Anao anio diovy ny fiainanay
Hahafahanay mandova lay fiainana mandrakizay
Ny fahoriana izay manjo, ho tonga fifaliana izany
Raha to any fiainanay, miaraka Aminao hatrany
Ry Ray Malala be fitia, arotsahy ny herinao
Aringano ‘lay satana, lay fahavalonao
Ry sakaizako malala, tsy nandao anao akory
‘lay Jehovah be fitia, raha toa ianao ka sendra ory
Tia anao tanteraka Izy, tsy foiny ianao raha ho very
Ondry fiandriny ianao ka tsy foiny handeha irery
Amin’ny andro mahory, aoka isika hanantena
Fa eo akaikintsika hatrany, Ilay Tompom-pamonjena
Aoka tsy ho kivy isika, ka hanana fanantenana;
Fa ny tanany mahery no hanongotra ny fahotana
Ka n’aiza na aiza no misy antsika, ry sakaiza aza adino
Manolotra ny tanany Izy, raiso izany ka fihino
Ilay rany nikoriana anie, ho rà mitondra fifaliana
Hamongotra ny alahelo, hamarana ny fahoriana
Ka raha ho avy tsy ho ela ilay Tompom-pahendrena
Tsy hisy ho diso anjara isika, samy hahazo famonjena
Alain Rahaingoharison