Poèmes
Madagasikara mivavaka
Ry tanindrazana tsy foy, ry tanindrazana malala,

Na lavitra aza izahay, ny eritreritra tsy miala,
Mahatsiaro anao hatrany, isan’andro tsy miato,
Indrindra moa fa androany, izay andro iray toa zato,
45 taona izao, ny fahaleovan-tenanao,
Be ny zavatra niseho teo amin’ny tantaranao,
Efa lasa anefa izany, ndeha ny ho avy no jerena,
Mba hitondra vokatsoa , izany fahaleovantena.
Ny fahaleovantena irina, sady mendrika no tsara,
Faniriako isan’andro, ho an’i Madagasikara,
Dia lay fahaleovan-tena , manantena hatrany hatrany,
Fa tena misy fanampiana , izany any an-danitra any.
Ny mpitondra sy ny entina, hiara-mientana avokoa,
Samy hangatam-pitahiana, amin’ny Tompo Lay Tsitoha,
Eny hivavaka hatrany , mba ho an’ny firenena,
Tsy mbola tara raha izao, no mangatam-pamonjena.
Sambatra ny firenena , zay manana Azy ho Andriamanitra,
Misokatra ho azy ireo, izany varavaran-danitra,
Ndeha hivavaka isan’andro , ho an’i Madagasikara
Ny Tompo eo hatrany hatrany, vonona hikarakara
Iriako mba ho toy izany , lay Madagasikara soa,
Ka hanao ho lohalaharana, Lay Andriamanitra tsitoha.
RAHAINGOHARISON. N. ALAIN