Poèmes
365 andro vaovao
Arahabaina re ianao, fa tratry ny taona vaovao
Ny tratry ny ho avy no hirain’ny mpianakavy
Enina sy roa arivo taona izay no lasa, moa vita ve ny asa ?
Aok’izay re ny fanaratsiana, fiomanana banjinina.
Tantely amam-bahona, fandalovana ny eto an-tany
Tsy hanaloka foana ny rahona, hoy ny feon’ny Fanantenana
Soa fa nisy fiambenana nitaiza sy nanolokolo
Nitondra fileferana sy ho feno faharetana.
N’aiza n’aiza misy anao, izay izaho sy ianao
Ny teny baikontsika, dia ny tsy hifanenjika
Ny hitety ny tany fa misy miandry any ho any
365 andro vaovao, misaora fa mbola mpadray anjara ianao.
Izahay aty am-pita dia miezaka hatrany
Hanatratra sy hitazona ny fombantsika any
Ny Advantista Malagasy Paris Saint-Cloud
Collonge, Limoges sy iero FEDE hafa koa.
Hafaranay mihitsy ny lesona amin’ny teny Malagasy
Ankafizinay ery, mamy be ny mianatra azy
Mitety ranomasimbe ilay vorom-by, 14000 km
Lavitra an! Fa amin’ni Jesosy io tsy misy 1 milimetatra.
Ho taona hafa kely, mamerovero fitia
Tsy hisy Ikala hafa, fa izay ho doria
Hifamela heloka, tsy hisy hidoka tena
Fa hisatro-boninahitra, ambony noho ny volamena.
Minou Mirana
Fiangonana Advantista France
